Hiara-hiasa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana sy ny Foibe famantarana ny toetr’andro hanitsiana ny tetiandrom-pambolena. Nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, ny Fofifa ary ny Viamo, ny sabotsy teo, tetsy Analakely. Ho jerena manokana ireo paikady handrindrana ny fambolena entina hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro izay anisan’ny sakana ho an’ny famokarana. Hisy, araka izany, ny hafatra alefan’ny Viamo amin’ny tolotra 321 ho an’ny tantsaha hamantarana ny tetiandrom-pambolena. Mifampiankina ny fambolena sy ny toetr’andro. Mba hahafahan’ny tantsaha mamokatra ara-dalàna ka hiatrehany ny fiovaovan’ny toetr’andro, ho fampiroboroboana ny seha-pihariana ho amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Vaindohan-draharaham-panjakana ny hametraka ny fambolena sy ny fiompiana amin’ny fanjarian-tsakafo izay miantoka ny fiainan’ny mponina andavanandro.
Henintsoa H.