Nanao ny fivoriambe voalohany, omaly, ny mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambony ho an’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED). Voafaritry ny lalàna fa hanatanterahana ny fifidianana ny handrafitra ny birao izany. Voafidy ho filoha, Ranadialison Angelo. Mpitsara, natolotry ny HCC ny tenany. Filoha lefitra kosa, Ramarosaona James, solontena voafidin’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM). Mpampakateny ambony, Andriamanantena Jean-Marc (solontenan’ny CNIDH).
Etsy andaniny, voafidy tamin’io fotoana io ihany koa ny solontenan’ny HCDDED miisa efatra, ho mpikambana eo anivon’ny Filankevitry ambony momba ny fitsarana avo “Haute cour de Justice (HCJ). Anisan’izany Ranampy Gisèle, Ramarokoto Fenosoa Emile Rakotondrainy Herimandimby Rajaona ary i Zafilaza.
Tsiahivina fa rafitra voalazan’ny Lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-43 ny HCDDED. Manana andraikitra amin’ny fijerena ny fanajana sy ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna, ny fanaraha-maso sy fampiroboroboana ny demokrasia ary ny fiarovana ny zon’olombelona. Rafitra mahaleotena misitraka ny fizakan-tena eo amin’ny fitondran-draharaha sy ny fitantanam-bola. Miisa sivy ireo mpikambana ary miasa mandritra ny dimy taona tsy azo havaozina.
Synèse R.