INDRAY MIJERY

Nitsidika ny Foibem-pikarohana momba ny fambolena sy ny fiompiana (Fofifa) eny Ampandrianomby ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ny voka-pikarohana momba ny “Aquaponie” manambatra ny “hydroponie” sy ny “aquaculture” no nojerena nandritra izany. Miompana amin’ny fomba iray: fiompiana trondro sy fambolena legioma ao anaty fotoana iray ihany.
Vehivavy 20 tamin’ireo 70 nanaraka fiofanana momba ny zaitra tao amin’ny kaominina Antsoantany, Antsirabe II, no hihazo ny Nosy Maorisy afaka andro
vitsivitsy. Nomena vahana manokana ny vehivavy ta­min’ny fanofanana faobe tao Antsoantany niarahana ta­min’ny Fikambanana Fararanolava. 164 izy ireo ary nizara sampam-piofanana efatra.
Manampy ankizy amin’ireo faritra lavitra
hisitraka kalitaom-panabeazana Ny ONG UWS. Niara-niasa tamin’ny Dren Atsimo Andrefana tamin’ny fananganana tranon-tsekoly, fampiofanana ireo mpampianatra hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Tanjona ny hanorenana trano fianarana 200 manerana ny Nosy sy ny fampiofanana ireo mpampianatra isaky ny Cisco.
Hanatombo hatrany ny rotsakorana any amin’ ny morontsiraka avaratra atsinanana sy atsinanan’ny Nosy, ato anatin’ny efatra andro manaraka. Misy ny fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana, anio, ho an’ny Sava, Analanjirofo ary ny tapany avaratr’Atsinanana. Hitohy rahampitso hatramin’ny alakamisy ho an’i Sava, Diana ary Analanjirofo izany.

Partager sur: