Tsy misy tsy miakatrakatra amin’izao fotoana izao? Mby an-tsaina voalohany amin’izany ny vidim-piainana. Tsy mety ho voafehy tanteraka? Lanja miakatra tsinona ny fiainana. Na tsy misy vidim-piainana midina izany, araka ny fitenin’ny mpanatsotra resaka. Na lazaina ho marin-toerana na voafehy aza ny vidim-piainana, tsy mahasehaka izany ny fahafa-mividy: kely ambaitra fa zara raha mahatana aina. Sanatria, rehefa tsy maty dia izay?
Dia miakatrakatra koa ny tosidra amin’izany, fa tena mafy sy sarotra ny miatrika ny fiainana isan’andro: mampiady fa misy vidin’entana saika mila hiova isan’andro, ohatra. Mampandainga ny miantsena raha tsy mahalala sy maharaka… Dia miakatrakatra ho azy koa ny feo amin’izany: ahoana ihany izy ity e? Tsy takona afenina, misy koa ny manararaotra fotsiny izao. Velona ho azy amin’izany ny fampiononan-tena hoe: ho aiza ary?
Izay koa no anisan’ny mahavoa? Raha lanja miakatra ny fiainana, toa lanja midina na mandrefy ambany ny fisainana. Tsy afa-manoatra? Raha miakatra, ohatra, ny vidin’entana nefa tsy mitombo ny vola miditra, saika ny fandaniana isan’andro no ahena: fatram-bary, saran-dalana fa aleo mandeha an-tongotra… Izay no vao mainka mandreraka sy mahakely aina? Tsy firy ny mihevitra sy manao izay hampitomboana ny asa atao sy ny vola miditra.
Aiza ho aiza izay fampitomboana ny vola miditra izay eo amin’ny isam-batan’olona, isan-tokantrano, isam-paritra… ? Ao anatin’izany ny asa, ny famokarana, ny fitantanana, ny vina amin’ny hoavy… Ny fananana sy fanaovana izany no tena lanja miakatra? Mamaky lay amina zava-baovao, mijery lavitra, miaritra sy maharitra… Izany no tena anisan’ny hoe sosialim-bahoaka? Na maha olona… Ny fiainana no manova ny fisainana sa ny fisainana no hanovana ny fiainana?
R. Nd.