Hotontosaina ny 05-06-07 avrily ho avy izao, ao amin’ny Avenue de la Gare Antsirabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Tsiahivina fa hotolorana vola 2 tapitrisa Ariary izay mahazo ny amboara amin’ny sokajy, «Séniors», lehilahy. Ankoatra izay, ny 31 marsa ho avy izao no fara-fandraisana ny fanavaozana ny kara-pilalaovana.
Nanatanteraka lalao ara-pirahalahiana, ny sabotsy lasa teo, ny ekipam-pirenen’i Comores sy i Mali. Ny ekipa kaomorianina nandresy an’i Uganda, tamin’ny isa 4 no ho 0, ary i Mali nandavo an’i Mauritanie 2 no ho 0. Tsiahivina fa hihaona amin’i Madagasikara izy ireo ny volana jona ho avy io.
Afaka andro vitsy, hanomboka indray ny
fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions”, taranja baolina kitra. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro, amin’ny 9 avrily ho avy izao, ny fihaonan’ny Manchester City, Anglisy sy ny Real Madrid, Espaniola. Tsiahivina fa mbola mana la vela ny Real Madrid, resin’ny ekipan’ny Man City 4 no ho 0 izy ireo ny taona lasa teo.