Talatamaty : naiditra eny Tsiafahy ilay nanolan-jaza

Nohazonina vonjimaika eny Tsiafahy ny lehilahy iray nanolan-jazavavy vao 12 taona tao Fitraofana, kaominina Talatamaty, ny 22 marsa teo. Naka trondro tao amin’ny dobo fiompiany io lehilahy io, ny 19 marsa teo. Navelany ni­tsimpona ireo ambin-trondro madinika tao anatin’io toerana io ireo ankizy ireo, fotoana vitsy taorian’ny nangalany ireo trondro vaventy. Anisan’ireo nikiry naka izay trondro hany sisa tavela tao anatin’ny dobo noritraina ilay ankizivavy 12 taona. Tsy nahazo na inona na inona intsony anefa izy. Natsoin’ilay lehilahy tompon’ny dobo ary nofitahiny homena trondro. Nentin’ity farany niditra tao an-tranony io ankizivavy io. Nanamparany ny filan-dratsiny sady nataony an-keriny. Nampahafantatra ny manodidina azy ilay lasibatra ka nitoroka teny anivon’ny biraon’ny zandary ny ray aman-dreniny. Voasambotra ilay lehilahy ka izao notanana am-ponja izao taorian’ny fampanoavana. Ankoatra io, zazalahy 11 taona voasambotry ny polisy tao Mananjary vokatry ny fanolanana zazavavy 8 taona, tao amin’ny fokontany Maromitety, kaominina Maro­fo­totra, ny 20 marsa teo. Nametraka fitarainana ny renin’io zazavavy io ka nanokatra fanadihadiana ny polisy. Ankizilahy mpiray tanàna tamin’ireo lasibatra ihany ity tompon’antoka ity.

Tsiferana R

Partager sur: