Famoaham-boky Ikalomanga, asa soratry Ratsifandrihamanana Clarisse Andriampandry. Havoaka amin’ny fomba ofisialy etsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy, ny 26 marsa, amin’ny 10 ora maraina izany. Efa voasorany tamin’izany fa tsy mbola navoaka izy io ka navoakan’ny taranaka. Afaka jifaina eny amin’ny trano fivarotam-boky izany amin’ny herinandro.
Naseho an-tsehatra omaly, tetsy amin’ny CEG Antanetibe-Mahazaza, ny sanganasa vaovaon’ny tarika Fy’Art. Nampitondraina ny lohateny hoe “Ny herin’ny vola”. Nosoratan’i Niravo R, notarihin’i Bruno Rakotomalala ary notontosain-dRakoto, Faly, Synèse, Antsaravaka ary Niravo. Hisitraka izany koa ny any Andraikiba Antsirabe sy ny any Arivonimamo amin’ny volana ambony.
Mbola tsy fahita hatramin’izay! “Tsy misy sampana Faribolana Sandratra any Fenoarivo Atsinanana, kanefa dia tany no nankalazana ny faha-35 taona…”, hoy Ranoe. Tonga tany an-toerana ny sampana avy any Mananara Avaratra, Brickaville, Toamasina, Vatomandry, ny sabotsy teo nanatanteraka lanonana tamin’ny fomba manetriketrika, raha ny fanazavany hatrany.
Sarimihetsika fohy momba ny “Le zebu de Dadilahy”. Halefa voalohany eto Antananarivo ny 27 marsa ho avy izao, notontosain’ny Ciné-club GZ/CGM Antananarivo izy ity. Niato tao anatin’ny taona vitsivitsy ny fampiroboroboana ny sinema teto Madagasikara. Haverina sy hovelomina isaky ny Alarobia faran’ny volana indray izany. Mba hamerenana ny lanja sy ny tsiron’ny sinema malagasy.