Hanodina voatabia hatramin’ny 100 kg isan’ora ilay milina napetraka ao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahitsy, distrika Ambohidratrimo. Tonga tany an-toerana nametraka izany, ny zoma teo, ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Razafindravahy Edgard, ka nilaza fa tsy ho verivery foana intsony ny vokatra eny ifotony. Nandray sy hitantana ny orinasa, ny Dago Green Consulting. Velom-panantenana, araka izany, ny tantsaha amin’ny fahazoana ny milina. Manana antoka ny mpamboly na ny kaoperativa fa hisy hatrany ny vokatra ataony. Ho raisin’ny orinasa avokoa ireo karazana voatabia, izany hoe, tsy voafetra ny lanja na ny haben’izany. “Nangetaheta izahay ny hanampiana ireto vahoaka mpamboly voatabia eto an-toerana ireto. Nanana ny anjarany i Mahitsy, izay renivohitry ny voatabia, mamatsy faritra maro (…)”, hoy ny ben’ny Tanànan’i Mahitsy raha nankasitraka ny minisitera nanome ny milina.
Fivoarana
Hanova ny fari-piainana sy ny famokaran’ny tantsaha ary ny vidin’ny voatabia ny milina mpanodim-bokatra. Toerana anisan’ny mamokatra sy mamatsy ny faritra manodidina i Mahitsy saingy miahiahy sy mitetbiteby ireo tantsaha amin’ny fandraisana ny voka-pamboleny. Ankehitriny, manantena fivoarana izy ireo amin’ny fahazoana ny ozinina hanodina sy hamokatra ketchup. Fantatra, miisa 36 ireo mpamboly any an-toerana, izay mamokatra kesikana voatabia 250. Noho izany, samy hahazo tombontsoa ny rehetra, ny tantsaha mpamboly sy ny orinasa mpanodina vokatra ary ny mpanjifa.
Henintsoa H.