Folo mianadahy mpamboly rongony sady
mpivarotra tratran’ny zandary tao Maroamalona, fokontany Mahatsara Ambony, kaominina Anaborano-Ifasy, afakomaly. Rongony tamin’ny gony nilanja 1 000 kg niampy 1 200 fototra no sarona tao amin’izy ireo.
Tovovavy tsy ampy taona am-polony voasambotry ny polisim-pirenena tao Taolagnaro, afakomaly alina. Noraisim-potsiny tao amin’ny trano fandihizana miisa telo sy trano fisotroana avokoa ireo zazavavy tsy ampy taona ireo. Nampanantsoina ny ray aman-dreniny.
Niteraka fahatarana nandritra ny ora maro ho an’ireo mpandeha ny fahatapahan’ny lalam-pirenena faharoa, tao amin’ny 7 km tsy hidirana an’Antsampanana, ny sabotsy alina hifoha omaly. Kamiao lehibe iray no niteraka ny fitohanana nanomboka tamin’ny 9 ora alina. Niverina amin’ny laonina ny fifamoivoizana ny marain’ny alahady tamin’ny 7 ora sy 44 minitra.
Renim-pianakaviana iray mpivarotra rongony voasambotry ny mpitandro filaminana tao Mahabo, afakomaly. Naharay fampahafantarana ny zandary ka nidina ifotony nijery ny toerana voatondro. Tratra tao an-tranony io ramatoa io. Nogiazana ny fonosona rongony am-polony tao aminy.