VAOVAO TAMBATRA

Manodidina ny 2 230 dolara ny vidin’ny once ny volamena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izany hoe, ny 28,35gramma. Ity no vidina volamena ambony indrindra, raha niakatra 12% izany hatramin’ny tapaky ny volana febroary teo. Antenaina fa hiantraika amin’ny tolotra sy ny tinady ataon’ireo mpandraharaha ity vidiny vaovao ity.

Mahatratra 783,6 tapitrisa dolara ny fifandraisana ara-barotra teo amin’i Madagasikara sy i Etazonia nandritra ny taona 2023. Manodidina ny 622 tapitrisa dolara ireo entana nafaran’i Etazonia avy aty amintsika ka nanondranana entana mitentina 61,6 tapitrisa dolara. Nahazo tombony hatrany amin’ny 660,4 tapitrisa dolara ny firenena malagasy.

Maro ireo hetsika nanamarihina ny “Global Money Week (GMW) 2024”. Nisy ny fanentanana ireo mpianatra tamina faritra 18, ny fampiofanana ireo mpampiofana misehatra eo amin’ny fanabeazana ara-bola, fitsidihana Banky sy Microfinance, ny Trail des 1 000 escaliers ary ny “Salon de l’éducation financière”.

Ny taona 2026 vao hiroso amin’ny sidina iraisam-pirenena ny Madagascar Airlines. Hanamafy ny sidina anatiny ny kaompania vao miroso amin’ny sidina mankany ivelany. Lafo, tafakatra 30% ny vidin’ny solika eto Madagasikara raha oharina amin’ny ao Maorisy, La Réunion, Afrika Atsimo, Kenya.

Partager sur: