Fandraharahana: hifanome tanana ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina

Hiara-hiasa amin’ny fanjakana malagasy ny sehatra tsy miankina amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara sy ho an’ny tombontsoa amin’ny fanatanterahana ny Zlecaf.

Hiara-hientana ho amin’ny fampiroboroboana ny ton­tolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Nisy ny fihaonana teo amin’ ny minisitry ny Fampiro­boro­boana ny indostria sy ny varotra, Razafindravahy Edgard, sy ny filohan’ny Grou­pe­ment des entreprises de Madagascar (GEM), Rabari­jhon Francis, ary ny filankevi-pitantanan’ny Von­dron’ny orinasa afakaba sy ireo mpiara-miombon’antoka (GEFP), omaly, teny Ambohidahy. Voa­re­saka, nandritra izany, ny la­lantsaina sy ny tondrozotra en­tin’ny minisitera amin’ny fampiroboroboana ny indostria. Vonona hifanome tanana amin’ny fanohanana ireo tetikasa indostrialy, toy ny taninketsa indostrialy sy ireo indostria goavana ary ny vala in­dostrialy ny GEM. “Zava-dehibe ny faneken’ny sehatra tsy miankina ny fifanarahana faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta Afri­kanina (Zlecaf)”, hoy ny fanazavan’ny minisitra. Nilaza izy fa maro ny tombontsoa azo amin’ny firosoana amin’ny fanatanterahana ny Zlecaf. Toy ny fampitomboana ny taham-panondranana hatramin’ny 47% mankany amin’ny tsena afrikanina, ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra ary ny fivelaran’ny tsena ara-barotra eo amin’ny kaontinanta Afrikanina. Nisongadina manokana, nandritra ny fihaonan’ny telo tonta, ny fanapariahana ny lalàna mifehy ny orinasa kaoperativa sy ny fampiharana ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara ho an’ny sehatra tsy miankina.

Fihariana
Misongadina eo amin’ny tsenan’ny Zlecaf ny vokatra avy amin’ny seha-pihariana lamba, ny lavanila, ny dipoavatra, ny jirofo, ny hazandranomasina ary ny menaka azo avy amin’ny zavamaniry (huiles essentielles). Miavaka sy tsara kalitao ireto vokatra ireto ka manana anjara toerana manokana.
Tsiahivina fa nisy ny fanadihadiana natao momba ireo tombontsoa azo eo amin’ny faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta Afrikanina nataon’ny minisitera. Naneho ny fahavononana hametraka paikady nasionaly hanafainganana ny fanatanterahana ny fifanarahana tamin’izay ny fanjakana malagasy.

Henintsoa Hani

Partager sur: