“Mitaky fandinihan-tena lalina tokoa ny firenena”, hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, taorian’ny fanambaran’ny filohan’ny Antenimiera, ny sabotsy teo. “Mijaly loatra ny vahoaka ary tsy izao ny vokatra notadiavintsika tamin’ireo tolona rehetra nifandimby. Mila sahy mitaky sy mitondra fanovana isika”, hoy izy.
Nanao fanambarana fanamelohana ny asa fampihorohoroana nahafatesana olona an-jatony, tao Moscou, Rosia, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Nampahery ny fanjakana sy ny vahoaka Rosianina ny tenany tamin’izany ary nilaza fa tena herisetra sy fanitsakitsahana ny zo maha olona ireny.
Kandidàn’ny Leader Fanilo ao Mahajanga I amin’ny fifidianana depiote, Rabodomalala Ali Yasmine. Notsofin-drano ny herinandro teo ny tenany. Mpitarika ny fikambanana “Coup de pouce” ary nanao asa sosialy maro tany an-toerana. Efa tafatsangana tamin’izany koa ny komity mpanohana (CSY).
Nanolotra an-dRandriarimanana Patrick ho kandidà depiote ny Kôlekitifa an’ny Malagasy. Hirotsaka ao Fianarantsoa ary nambara ny herinandro teo, tany an-toerana fa mahavita azy sy miasa ary olon’ny fihavanana ny tenany. Mpampianatra sady mpahay lalàna izy io.