Fifidianana depiote : miantso ny olompirenena hifidy ny FFKM

“Tohizinay ny antso avo momba ny fifidianana eto amin’ny tany sy ny fanjakana, izay hatrehintsika amin’ny 29 mey ho avy izao. Ny antso voalohany ataon’ny FFKM amin’izany dia ny hahazoan’ny rehetra mijery sy manamarina ny anaran’ny tena amin’ny lisitry ny mpifidy any amin’ny biraom-pokontany misy ny tsirairay avy”. Izay ny antson’ny filohan’ny FLM sady mitarika ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM) amin’izao fotoana izao, ny pastora dokotera Rakotozafy Denis, taorian’ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana nitondrana amim-bavaka ny firenena noho ny fahatsiarovana ny 29 marsa 47, teny amin’ny FLM 67 Ha, afakomaly.

Manainga ny rehetra koa izy hanara-maso hatrany izay anarana izay any amin’ny lisitry ny mpifidy mandra-pikatonany. Eo koa ny fanasany ny rehetra hisitraka ny zon’ny tena hifidy sy handray andraikitra amin’izany amin’ny alalan’ny fandatsaham-bato amin’izay toerana misy ny tena eto Mada­gasikara. Hahamarin-toerana ny toe-draharaham-pirenena eo amin’ny fiainana misy ny tsirairay avy. Akaiky ny vahoaka izay hofidina. Solombavambahoaka izany. Namaranany ny antso sy ny hafany ny fanaraha-maso ny vato harotsaky ny tsirairay amin’izany fifidianana izany any amin’ny toerana misy ny tena. Mba hialana amin’ny disadisa ao aoriana na anatin’ny fotoam-pifidianana izany. Dia mirary soa antsika rehetra amin’izany fifidianana ho avy eto amin’ny tany sy ny fanjakana izany.

R. Nd.

Partager sur: