Hafatry ny mpisehatra teatra : « Fandriampahalemana ny zavakanto »

Ny 27 marsa no Andro maneran-tany ho an’ny teatra. Toy ny isan-taona, misy ny hafatra avy amina mpisehatra amin’ny teatra iray, izay nametraka teo amin’ity zavakanto ity. Nitondra ny hafatra tamin’ity taona ity i Jon Fosse, mpisehatra sady mpanoratra teatra norvezianina. Nosafidi­ny anatin’ny hafatra ny lohahevitra « Fandriampahale­mana ny zavakanto » ? Nadi­ka tamin’ny fitenim-pirenena maro ity hafatra ity, ka ani­san’ny nanao izany ny Fikam­banan’ny mpanao Teatra malagasy na ny FMTM.
Anisan’ireo mpikambana sy nanangana ny Institut international du Théâtre na ny IIT ny FMTM. Antony iray hanamarihana eto Madagasikara ny Andro maneran-tany ho an’ny teatra izany. Miroso bebe kokoa amin’ny fampitiavana ny teatra ho an’ny ankizy ny FMTM, ka nosafidina manokana ny fanentanana ny mpianatra amin’ity fankalazana ity. Tantara fisehatra fohy efatra no notsoingaina haseho an-tsehatra, etsy amin’ny AFT Andavamamba, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. “Lova sa valisoa?”, “Melohiko ny herisetra”, “Faraingoka” ary “Lamba” no hifandimby holalaovin’ny Sakaizan’ny Teatra Malagasy eo anivon’ny Lycée Rabearivelo Analakely, sy ny Fanilon’ny Teatra avy ao amin’ ny Lycée Moderne Am­pe­filoha.
Tsiahivina fa misy ihany koa ilay fifaninanana teatra ho an’ireo mpianatra, izay hatao etsy amin’ny Ivokolo Ana­lakely, rahampitso ihany.

Zo ny Aina

Partager sur: