Mankany mankany …?

 

Mandeha mankaiza marina ity firenentsika ity. Tsy hita ny teny ilazana ny fidangan’ny vidim-piainana. Tena tsy mitsahatra andro aman’alina fa mirimorimo izaitsizy. Tena mahakivy ny mahita ilay kapoakam-bary efa mananika ny 1 000 hatramin’ny 2 000 Ariary, arakaraka ny faritra. Toraka izany ny siramamy, misy efa 7 000 Ariary ny kilao. Izay filana fototra, tena tsy zakan’ny fahefa-mividy intsony.
Izao anefa, iaraha-mahalala fa mandeha ny fanadiovana faobe ny mpiasam-panjakana, midika izany fa hitombo ny tsy ho an’asa. Enga fotsiny anie ka fanadiovana tena fanadiovana fa tsy fanesoran’olona hampidirana ny namana sy ny kiantranoantrano. Raha ny tsilian-tsofina mandeha manko, misy ny minisitera izay mampiditra mpiasa tsy mandalo fifaninanana akory, tsy miofana sy tsy manao fizaran-draharaha. Sanatrian’ny vava ka miala an’Ankatso dia Ambohidempona! Maika hanova olona fa tsy hanova fomba fiasa.
Inona no antony hilazana izany dieny izao! Sao hanana olana amin’ny fitazomana ny fitoniana amin’ny fitondrana ny raharaham-panjakana ny filalaovana ny fiainam-bahoaka ity? Ny tany etsy sy eroa efa esorina amin’ny madinika sy ny marefo. Ny fahantrana miha mangitsokitsoka. Ny tsy filaminam-bahoaka sy ny tsy fandriampahalemana miha mahazo vahana. Raha fehezina, mikororosy tanteraka ny andavanandrom-piainan’ilay Malagasy.
Tsy hay hoe mankaiza ilay zotra arahana hatreto? Mangina tanteraka, tsy mijoro ireo tomponandraikitra mamaha ny olan’ny vidim-piainana. Toa variana manenjika ilay 100 andro hanaovana tombana? Mirona kokoa amin’ny fandaharanasa hisehosehoana sy hanaovana serasera fotsiny? Asa re! Na inona na inona anefa ataon’izy ireny, ny azo hamehezana azy dia mijaly ny vahoaka. Mankany mankany amin’ny fahantrana sy fahoriana tsy manam-petra.

r.r

Partager sur: