Miakatra ny rano ao Taolagnaro : 400 mahery ireo traboina, amin’ny toeram-pandraisana telo

Nijojo tao anatin’ny teo andro ny orana tany Taolagnaro ka nampiakatra ny rano tao an-tanàna. Voatery nafindra toerana ny mponina sasany ary efa nandray andraikitra ireo solontenam-panjakana any an-toerana.

“Vokatry ny rotsakorana be tany amin’ny distrikan’i Taolagnaro nandritra ny telo andro, niakatra ny rano ka maro ny tanàna dibo-drano”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Andriakaja Elack Olivier, omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC An­drai­narivo. Telo ny toeram-pandraisana napetraka handraisana ireo traboina ka 400 mahery, hatramin’ny omaly, ireo efa raisina an-tanana ao, araka ny fanazavany ihany. Nanom­boka ny alahady alina no voatery nafindra toerana izy ireo. Efa nandray andraikitra tamin’ny fikarakarana sy fampiantranoana ary ny fanomezana sakafo ny tomponandraikitra any an-toerana, nanome tanana ny ekipan’ny BNGRC ao Taolagnaro sy Ambovombe. Tapaka ny lalana mihazo an’i Taolagnaro vokatry ny orambe ary efa nampandre ny tomponandraikitra izy ireo. Tsy maintsy mijery ny fomba rehetra hahatongavan’ny fanampiana ho an’ireo traboina ny BNGRC ary misy ny fivoriana, omaly, niarahana tamin’ny mpiray ombon’antoka momba izany. Tamin’ity taona ity, ny tondradrano no tena nahery vaika raha efa nihena kosa ny fiantraikan’ny rivodoza vokatry ny fiomanana rehetra natao.
Mpanohana voalohany …
Tonga nanolotra fanampiana: voamaina 60t, vary 190t ary menaka 23 000 litatra ho an’ireo vahoaka sahirana noho ny voina samihafa, omaly, ny mpitantana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany eny Andrainarivo. Mpa­nohana tsy tapaka ny BNGRC izy ireo hatramin’izay ary mbola mitohy hatramin’izao. Manana departemanta misahana ny tohana ny maha olona ny fiangonana ary izy ireo no mandray ny antso avy amin’ny olona mila fanampiana sy mamolavola ny drafitrasa hatao, hoy ny tsatoka Antananarivo ao amin’ny fiangonana, Ratovonony James. Tsara fahatongavana ny fanampiana satria misy traboina any amin’ny faritra Anosy mila izany.

Vonjy A.

Partager sur: