MPANOHANA ny fitondrana : «Handraisana fepetra Razanamahasoa Christine»

Tohivakana! Nanao fanambarana avokoa ireo antoko sy fikambanana ary vononana miara-dia amin’ny fitondrana, omaly. Lasibatra ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine.

Anisan’izany ireo eo anivon’ny IRD sy ny depiote mpanohana ny fitondrana ary ny Irmar. Namba­ran’izy ireo fa tsy azo ekena velively ny fambolena korontana eto amin’ny firenena amin’ny endriny rehetra. “Tsy ny fikononkononana fanonganam-panjakana no hanamora ny fiainam-bahoaka, fa vao mainka aza izany hiteraka krizy. Koa mitaky ny handraisana fepetra hentitra momba azy amin’ny alalan’ny fitsipika anatin’ny Antenimiera sy ny fitsipiky ny vovonana na koa ny vondrona parlemantera IRD”, hoy izy ireo, tetsy Anosy.
Notsiahivin’izy ireo fa vao nahavita fifidianana filoham-pirenena isika ary efa neken’ny iraisam-pirenena izany. Mila fitoniana koa ny firenena amin’izao hirosoana amin’ny fifidianana depiote izao, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. “Tsy vao voalohany izao fanakorontanana ataony izao. Efa teo ny faniratsirana ankolaka sy mivantana nataony ka toherinay izany”, hoy izy ireo.
Nanamafy izany ny sekretera nasionalin’ny TGV, Ra­soamaromaka Hery, nilazany fa tokony hampiharina amin-dRazanamahasoa Christine ny lalàna. “Tsy mitovy hevitra amin’ny antoko nahavoafidy azy izy”, hoy izy.
Tsiahivina fa anisan’ny nambaran’ny filohan’ny An­tenimierampirenena ny sa­botsy teo, teny Tsimbazaza, fa tsy araka ny fampanantenana tamin’ny 2009 izao zava-misy izao. “Mahantra ny firenena sy ny vahoaka ary latsaka an-keterena. Nahatsiaro ho voafitaka izahay”, hoy izy. Niatrika izany ireo hery velona, antoko politika, Pan-FFKM, ny fiarahamonimpirenena ary fikambanana maro samihafa.

Synèse R.

Partager sur: