Laharam-pahamehana ary tafiditra ao anatin’ny fandaharanasam-panabeazana ny tantara an-tsary. Izany indrindra no antom-pisian’ny RIBD, ho fampiroboroboana ity kolontsaina ity. Hitondra ny anjara birikiny, mandritra izany, i Catmouse, Malagasy mpiangaly tantara an-tsary.
Tanterahina any Cotonou, Bénin, manomboka ny 27 marsa 2024 hatramin’ny 30 marsa 2024, ny “Rencontres internationales de la bande dessinée” (RIBD), andiany faharoa. Lohahevitra anisan’ny hasongadina mandritra ity hetsika ity ny hoe « Avatars et identité dans la bande dessinée francophone ». Nahazo fanasana manokana hiatrika izany Rajemison Dinah, fantatry ny maro amin’ny Catmouse, eo amin’ny tontolon’ny tantara an-tsary. Hojerena manokana ireo mpanakanto vao misandratra ary hisy efatra amin’izy ireo hisitraka fandaharanasa fampidirana azy ireo eo amin’ny tontolon’ny matihanina.
Ambohipihaonan’ny mpiangaly tantara an-tsary any Cotonou, mandritra ny “RIBD 2024”. Firenena fito no nahazo fanasana manokana, ahitana an’i Madagasikara, Suisse, France, Bélgique, Cameroun, Togo ary i Maroc. Asaina hitrandraka ny “Avatars” ireo matihanina amin’ny tantara an-tsary, amin’ny maha fanehoana an’ohatra sy izy maneho ny maha izy azy ary ny kolontsaina eo amin’ny tontolon’ny tantara an-tsary amin’ ny teny frantsay.
Hetsika maro, manodidina izany, no handravaka ny “RIBD 2024”. Ho hita, mandritra izany, ny fampirantiana, valandresaka, fihaonana eo amin’ny samy matihanina, fandefasana sarimihetsika, atrikasa ary fihaonana amin’ireo tanora sy vahoaka mpanatrika. Anisan’ny hitondra ny traikefany sy ny fahaiza-manaony ary haneho ny maha izy ity kolontsaina ity i Catmouse. Anisan’ny hamelabelatra sy hitondra fanazavana mahakasika ny lohahevitra “Imaginaires linguistiques et francophonie dans la bande dessinée en Afrique francophone” izy.
Lin