Clarisse Ratsifandrihamanana : navoaka omaly ny boky « Ikalomanga »

Na efa tsy eo intsony aza i Clarisse Ratsifandrihamanana. Misy hatrany ny fivoahan’ny sanganasany. Iray amin’ireny ny boky mirakitra ny tantaran’« Ikalomanga », navoaka omaly.

Notontosaina, omaly, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny fa­moahana tamin’ny fomba ofisialy ny boky « Ikalomanga », sanganasan’i Clarisse Andri­amampandry Ratsifandriha­ma­nana. Ny taona 1967 no nanoratan’ity andrarezin’ny asa soratra malagasy ity ny tantaran’ Ikalomanga. Zazala­hikely avy any ambanivohitra nila ravinahitra taty Antana­narivo niaraka tamin’ny fianakaviany. « Na tao anatin’ny fahantrana aza, niezaka ny nihary am-pahamarinana sy am-pahitsiana ry zareo », hoy Ranjatohery Harilala, akademisianina nanao ny teny fanolorana sy ny famaranana, raha namintina ny tantara voara­kitra ao anatin’ny boky. Ny Edisiona Ambozontany kosa no nanonta ny « Ikalo­manga ».
Tamin’ny alalan’ny famakian’ireo taranany ny ampa­hany voarakitra ao anatin’ny boky no namintinana ny tantara. Nisy ny fanehoana ny sora­dihy Ikalomanga ary ny nampahafantarana ilay hira mirakitra ny hafatr’i Clarisse Ratsi­fandri­hamanana ho an’ny taranany sy ny sary mirakitra ny ampahany amin’ny tanta­rany.

Hisy ny efitrano hitondra ny anarany
Nomarihin’i Augustin Andri­amananoro, minisitry ny Sera­sera sy ny kolontsaina fa hojerena ny hisian’ny efitrano hitondra ny anaran’i Clarisse Andriamampandry Ratsifan­dri­ha­manana ao amin’ny Tra­nombokim-pirenena Anosy. Mahatratra 100 isa kosa ny boky « Ikalomanga » hovidian’ ity minisitera mpiahy ny kolontsaina ity. Naneho ny fahavononany hamadika ho sarimihetsika ny ampahany amin’ny tantaran’Ikalomanga ihany koa ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina.
Mahafehy tanteraka ny teny malagasy i Clarisse An­driamampandry Ratsifan­dri­hamanana. « Fahatsorana sy halalina. Voambolana tsotra. Ao koa ireo tsy faheno firy. Misy aza ny tsy voarakitra any anaty Rakibolana… Tazana ao anatin’ny asasorany avokoa », hoy hatrany Ranja­to­hery Harilala.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: