Fanjarian-tsakafo eny ifotony: tombanana ny asa vita, hanatsarana ny paikady

Zaza latsaky ny 5 taona efatra amin’ny 10 no tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka, ho an’ny antontanisa nasionaly. Zaza enina amin’ny 100 kosa no voan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ary miovaova isaky ny faritra ny tarehimarika.

«Any Androy, Atsimo Atsinanana, Mena­be no tena ambony ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ». Io no nambaran’ny mpandrindra nasionalin’ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN), profesora Vololotiana Marie Danielle, omaly, teny Anosy. Hisy fanadihadiana lehibe momba ny tsy fahampiana singa mpamelona eo amin’ny zaza eto amintsika. Anisan’izany ny tsy fahampiana iode, zinc, ahafahana manao hetsika isorohana izany eny ifotony. Efa tanterahina amin’izao fotoana izao io fanadihadiana io.
Ho fandrefesana ny asa vita ho an’ny fanjarian-tsakafo eto amintsika, nivory ny rafitra mpanombana ny ezaka sy ny asa eny ifotony, izay arindran’ny ONN sy ny ORN manerana ny Nosy. Faritana avokoa ny asa vita teny ifotony sy ny fiantraikany. Hisongadina ny tondro ahafantarana ny zava-misy, ahafahana manova ny paikady ho an’ny toerana mbola marefo amin’ny fanjarian-tsakafo. Alefa any amin’ny filankevitra nasionaly ho an’ny fanjarian-tsakafo ny tatitra handrindrana ny asa ho an’ny hoavy. Mpikambana ao amin’ny rafitra manombana ny ezaka ny minisitera voakasika rehetra, ny mpanohana ara-boly sy teknika, ny firaisamonina sivily ary ny Firenena mikambana.
Nivoitra tamin’ny fizarana ny asa vita fa 53 ny mpisehatra amin’ny rafitry ny fahasalamana ho an’ny fanjarian-tsakafo. Tafiditra ao ny HINA, JICA…Ho an’ny fanatsarana ny sakafo, toy ny fanentanana ny olona hampiasa sira misy ioda, 50% ny tanjona tratra tamin’ny napetraka. Ho an’ny fanomezana vitamine A ny zaza, 25% ihany no tratra, toy izany koa ny fanomezana ody kankana ny ankizy. Ho an’ny fanaraha-maso ny lanjan’ny ankizy, 45% amin’ny vina no tanteraka.

Vonjy

Partager sur: