Nampita hafatra amin’izao Herinandro Masina izao ny eo anivon’ny FFKM. “Miantso antsika mba handini-tena sy hanamafy ny fifandraisana amin’ Andriamanitra”, hoy izy ireo. Nanterin’ny fiangonana fa tsy tokony hiraviravy tanana na eo aza ny hasarotry ny fiainana sy ny tsy fandriampahalemana.
Miahiahy amin’ny fomba fiasan’ny Ceni, Ratsietison Jean Jacques, eo anivon’ny Kolektifa ho an’ny Malagasy. Nanara-maso ny lisi-pifidianana teny Andafiavaratra, Ankadikely Ilafy, izy ireo, omaly. “Misy noraisin’ny fokontany anarana, natao ao anatin’ilay lisitra kanefa tsy tafiditra ao amin’ny lisi-pifidianana any amin’ny Ceni… Aoka isika ho mailo”, hoy izy.
Ahafahan’ny vahoaka manova ny tantara ny fifidianana depiote, araka ny nambaran’i Tabera Randriamanantsoa. “Tsy hahazo ny maro anisa velively ny antokon’ny mpitondra manoloana ny olana mianjady amin’ny vahoaka. Raha mandeha araka ny tokony ho izy koa ny fifidianana fa tsy misy hala-bato”, hoy izy.
Miatrika ny fihaonan’ireo vehivavy parlemantera ny loholona MMM, Raharinirina Sidonie. Tanterahina any Geneve ity “37ème session du forum des femmes parlementaires” ity. Nambarany fa afaka manova ny tantara ny vehivavy. “Mitaky fahasahiana sy fandraisana andraikitra izany. Aoka isika hitsangana sy hijoro fa mila antsika ny firenena”, hoy izy.