Inter-Médias 2024 : hanomboka ny 3 mey izao ny fifaninanana

Hotanterahina ny 3 sy ny 4 mey ho avy izao ny fifaninanan’ ireo orinasan-tserasera, Inter-Médias 2024, “iray eny an-kianja”. Araka ny fanazavana nataon’ireo mpikarakara eo anivon’ny Ordre des journa­listes de Madagascar (OJM), omaly, teny Ambohidahy, man­doa lelavola 60 000 Ar avy ireo ekipa mandray anjara amin’izany.
Taranja roa no hifaninanan’ ny mpandray anjara, anisan’ izany ny baolina kitra lalaovin’ olona fito sy ny basikety hiarahan’ny lahy sy ny vavy, “mixte”, 5×5. Afaka mandray anjara ireo mpanao gazety avy any amin’ny faritra. Nohamafisin’ ny mpikarakara fa hisy ny fepetra raisina ho an’ireo orinasa minia mampiasa mpilalao tsy miasa ao aminy na ireo “mercenaires”. Notsiahivin’izy ireo fa anisan’ny lesoka hita tamin’ny taon-dasa izany. Tsara marihina fa tsy mbola voafaritra mazava ny toerana hanaovana ny « Inter-Medias ». Hi­farana ny 21 avrily ho avy io kosa ny fisoratana anarana ho an’ireo izay maniry handray anjara. Tsara ny mampahafantatra fa ity no andiany fahatelo amin’ ny lalao « Inter-Médias ».

Fitia Randria

 

Partager sur: