Antsirabe : telo lahy nahatrarana vola sandoka

Vola sandoka 18 tapitrisa Ar tratra teny amin’ireo telo lahy nosamborin’ny polisy tao Antsirabe, ny alatsinainy 25 marsa teo. Nokasain’ireo mpisoloky ireo amidy sy aparitaka tao amin’ny renivohitr’i Vakinakaratra tao anatin’ity herinandro mialoha ny fankalazana ny fetin’ny paska ity ireo vola sandoka ireo. Mponina avy eto Antananarivo ilay lehilahy iray atidoha tamin’ny famarotana ireo vola sandoka ireo. Lehilahy roa hafa nanampy azy tamin’ny fikasan-dratsiny. Naharay loharanom-baovao avy tamin’ny tsara sitrapo ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana. Nidina ifotony nanamarina ny zava-nisy izy ireo. Tra-tehaka ireo tompon’antoka tamin’ity fanaparitahana vola hosoka ity. Nosamborina izy telo lahy. Nogiazana ireo vola sandoka teny amin’izy ireo. Natolotra ny fampanoavana ireo mpisoloky ka notanana am-ponja vonjimaika.

Tsiferana R.

Partager sur: