Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Foibe Atsimondrano eny Tanjombato, afakomaly, ny jiolahy iray tratra nangalatra moto an’ny orinasa iray. Tao amina trano iray vao amboarina no tratran’ny polisy ny jiolahy iray niaraka tamin’ny moto halatra izay nanaovan’ny tompony fitarainana ny talata 26 marsa 2024. Araka ny fitoriana nataon’ny tompony, moto miasa amina orinasa iray ity moto ity. Nanatanteraka ny asany vao maraina ilay mpitondra moto ka nametraka izany teo amin’ny fiantsonanana ao amin’ny Ostie Behoririka tamin’io fotoana io. Rehefa nivoaka anefa ny tompony dia tsikariny fa tsy teo amin’ny toerana nametrahany azy intsony ilay moto. Nojerena ny GPS ka hita fa nizotra nandeha nihazo an’i Tanjombato ny lalan’ilay mpangalatra nitondra azy. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny polisy, ka tamin’izany no nahazoan’izy ireo angom-baovao. Vokany, tratra tao amin’ilay trano an-dalam-panamboarana io moto halatra io niaraka tamin’ilay jiolahy nangalatra azy. Efa nesoriny avokoa ireo fitaratra teo amin’ilay moto tamin’ny fahatongavan’ ny polisy teny an-toerana. Tsy vitan’izay fa saika ho vahany avokoa ny bilao rehetra tamin’ io moto io. Nentin’ny polisy nihazo ny kaomisaria avy hatrany ilay jiolahy mba hanaovana fanadihadiana. Taorian’ ny famotorana nataon’ny polisy, notazonina am-ponja vonjimaika ity jiolahy ity.
J.C