Teatra malagasy : velona sy miaina na anisan’ ny haikanto tranainy aza

Anisan’ny literatiora am-bava tranainy ny teatra. Maro ny dingana nolalovany raha ny teto Madagasikara manokana. Amin’izao fotoana izao, mihamaro ireo tanora liana amin’ny filalaovana sy fankafizana azy.

Tontosa omaly, teny amin’ ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny “Fano­ka­fa­na ny taona teatraly”, niarahana tamin’ny Fanilon’ny Teatra Malagasy, avy ao amin’ny LMA Ampefiloha, sy ny Sa­kaizan’ny Teatra Malagasy, avy ao amin’ny JJR Anala­kely. Fampisehoana teatra noravahina antsan-tonokalo no na­meno ny fandaharam-potoanan’ny hetsika. Tanjona ny hampiroboroboana ny teatra malagasy sy ny hamerenana izany amin’ny toerana tokony hisy azy.
Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, mbola velona sy mivoatra manaraka ny zava-misy ny teatra, na dia anisan’ny haikanto efa ela nisiana aza. Ambohipihaonan’ ny fianakaviamben’ny teatra indray ny teny amin’ny AFT Andavamamba, omaly tolakandro. Nampiaky sy nahafaly ireo mpijery ny niangalinan’ny Fanilon’ny Teatra Malagasy sy ny Sakaizan’ny Teatra Mala­gasy ny piesy nandravaka ny seho. Anisan’izany ny piesy teatraly “Lova sa Valisoa” sy “Melohiko ny herisetra” ary ny “Faraingoka”. Ankoatra ny fampifaliana tamin’ny endrika ivelan’ny seho, maro ny lesona enti-miaina amin’ny fiainana andavanandro naroson’izy ireo ho an’ny mpankafy tao anatin’ny tantara.
Ankoatra izay, nisy ihany koa ny adihevitra momba ny teatra, niompana tamin’ny lohahevitra hoe “Archives et Perspectives”, niarahana tamin’ireo matihanina sy tomponandraikitra eo anivon’ny teatra, tao anatin’ny “Temps Fort Theatre”. Raha ny mahakasika ity hetsika ity, hisy ny seho hilalaovana ny piesy “Sokitra”, anio, iarahana amin’ny Cie Nouvelle Scènes Madagascar.

Lin

Partager sur: