INDRAY MIJERY

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo, ny hirosoana amin’ny fanaovana ny tetikasa haratonaina iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola toy ny Banky iraisam-pirenena. Mitondra tantsoroka ho an’ireo ankohonana marefo sy ny tantsaha ary ny faritra iharan’ny loza voajanahary ny tetikasa.

Namoaka fanambarana ny Holafitry ny mpitsabo nanoloana ny olana maro sedrain’ny asan’izy ireo amin’izao fotoana. Manoloana izany anefa dia mijoro ho iray tsy mivaky ny dokotera. Tokony hanatona ny tomponandraikitry ny Holafitra eny ifotony ireo dokotera manana olana eo amin’ny asa hisian’ny fampahafantarana sy ny vahaolana.

Mankalaza ny faha-25 taona nisokafany ny Ecole de management et d’innovation technologique (Emit) ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa. Marobe ny fanavaozana natao, indrindra ny kalitaom-pampianarana, tolotra omena ny mpianatra ary ny fisokafana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. Anisan’ny sekoly mampianatra informatika sangany ny Emit.

Partager sur: