Mampiaka-peo ny mponina : Bahanan’ny Craad-OI ny fampandrosoana any Toliara

Tsy miafina intsony! Nambaran’ny mponina any ifotony fa ao ambadik’ireo hetsika manohitra ny tetikasa goavana tokony hitondra fampandrosoana any Toliara ny fikambanana Craad-OI.

Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena, ny febroary 2024 teo, anisan’ny mahantra indrindra eto Madagasikara ny tapany atsimon’ny Nosy. Vahaolana ny hisarihana mpampiasa vola vahiny sy hampiroboroboana ny sehatra tsy miankina. Saingy manohitra izany ny Craad-OI, mitazona ny mponina ho gejain’ny fahantrana, tsy toy ny fikambanana fiarahamonim-pirenena (OSC) hafa, mikaroka ny hisitrahan’ny mponina ny tetikasa goavana mitondra fampandrosoana eny ifotony.
Manomboka mampiaka-peo manohitra ny Craad-OI ny mponina any Toliara. Nilaza i Jeannot Roberval, mpandrindra ny fikambanana Toliara mijoro, fa mitohy ny fanoheran’ ny Craad-OI ny tetikasa fambolem-bary, izay tokony hatao any amin’ny ilany havanana amin’ny lemak’i Bas Mangoky. Anisan’ny mamatsy vola ity fikambanana ity ny Collectif Tany any Paris Frantsa, nanohitra ny tetikasa tany Anta­nimeva sy Horombe. Ataony ny fomba rehetra, hampiatoana ny tetikasa Base Toliara. Efa niaiky anefa ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany fa tombontsoa lehibe ho an’ny firenena ity tetikasa ity.

Manely vaovao tsy marina
Nanamafy izany i Zafihita, antsoina hoe Zazah, filohan’ny fikambanana Mazoto nisintaka, any Ankilimalinike sy Tsianisiha. «Mitsabaka amin’ny raharaha tsy misy idirany ny Craad-OI, manana ny foibeny any Antananarivo. Ma­nely vaovao tsy marina, satria manararaotra ny mponina efa marefo ho an’ny tombontsoany», hoy izy.
Vonona hiaro ny taniny ary hiatrika ireo manohitra ny tetikasa Base Toliara i Marcel, antsoina hoe Tsiamby monina any Benetsy. Araka ny loharanom-baovao azony, niantso olona avy any amin’ny distrika lavitra, tsy voakasiky ny Base Toliara ny Craad-OI, nanao ny hetsika ny 19 marsa teo, ary nisy fizarana vola nataon’ny mpianatra. Notsoriny fa ma­nan-jo ny handroso i Toliara, ary tsy azo ekena ny hanakanan’ny Craad-OI izany, ka hijanona hahantra foana ny any an-toerana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: