Mbola nahitana vola 1 400 000 Ar : tratra ireo jiolahy namono nahafaty an’i Cynthia tao Toliara

Enina mianadahy voasaringotra tamin’ny fandrobana niharo vono olona tao Toliara renivohitra, ny 26 marsa teo. Nahatrarana vola sy fitaovam-piadiana izy ireo.

Voasambotry ny zandary ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana narahina vonoan’olona ka nahafaty an’i Cynthia, ilay tovovavy, mpiasana karana ao Tsianaloka Toliara. Ny 26 marsa 2024 teo ireto andian-jiolahy ireto no tratra tao anaty vela-pandriky ny zandary. Nambaran’ny tatitry ny zandary fa teo am-panangonam-bola hakana entam-barotra ilay tovovavy niharam-boina no nifanehatra tamin’ireo jiolahy. Lasan’ireo mpanafika ny vola 20 tapitrisa Ar. Niroso tamin’ny fitsongoana dia ireo olona ahina ho tompon’antoka tamin’ity vonoan’olona ity ny mpitandro filaminana. Nahitam-bokany izany satria ny talata teo tratran’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Toliara ny olona roa voarohirohy. Nitohy ny alarobia indray ny fisamborana olona telo hafa niaraka tamin’ny vola 1400 000 Ar niampy bala fito, tratran’ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava Sanfily Toliara. Voasam­botra, afakomaly, koa ny vehivavy iray sy lehilahy iray samy nokarohin’ny zandary. Tafa­katra fito, araka izany, ireo olona voarohirohy tamin’ity fanafihana narahina vonoan’olona ity. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity raharaha ity. Hatolotra ny fampanoavana ireto jiolahy ireto aorian’ny famotorana.

Jean Claude

Partager sur: