Mitomany ny tany

 

Mampalahelo ny zava-misy iainan’ny mpiray tanindrazana manerana ny Nosy. Dibo-drano, rava fananana, mitoka-monina ireo nolalovan’ny rivodoza Gamane. Misy ny namoy ny ainy, teo ireo nilaozan’olon-tiana tampoka. Mifanindran-dalana amin’izany, ny faritra hafa, izay handihizan’ny olon-dratsy. Fongana anatin’ny indray mipi-maso ny fananana nohariana aman-taonany. Firifiry no namoy ny aina ihany koa raha miaro izay nikelezany aina.
Tsy asian-dresaka intsony ny tontolo politika, tsy mifantoka amin’izay fampandrosoana. Mivadika tanteraka amin’ny fitadiavam-bola sy fanavotana ny akamakama sisa. Izay hirifirim-piainan-dRamalagasy toa tsy misy mpanontany. Tena mampalahelo ny zava-misy amin’ny ankapobeny. Mampametra-panontaniana: sanatrian’ny vava ve ka voahozona noho ny fanaovana tsinontsinona ny ra nalatsak’ireo maty ho an’ny tanindrazana? Hatreto toa raraka an-tany fotsiny ny sorona natao ho an’ny taranaka.
Mitomany re ny tany! Tsy misy raha manjary hatreto ka mipaka amin’ny fiainam-bahoaka. Mila mpamafa ranomaso ny Malagasy tsivakivolo. Tsy ampy intsony ny kabary tsara lahatra. Mila fandraisana andraikitra ny zava-miseho rehetra. Mila foanana ity fanaovana vain-drahalahy tsy marary avy amin’ny manao politika ity. Sosialim-bahoaka no mahamay fa tsy ady seza sy fifamotehan’ny samy mpiray vilia izay efa samy voky hatendakely.
Madagasikara tsy maintsy mandroso? Asa hanao Ahoana re? Fa hatreto mbola mijanona ho teny filamatra fotsiny izany. Miandry asa azo tsapain-tanana mitondra vokatra ny vahoaka!

r.r

Partager sur: