Naiditra eny Tsiafahy ny roa lahy nahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika “crystal-meth” sy bala fampiasa amina fitaovam-piadiana teny Isotry, afakomaly. Nanao fisafoana teny amin’ny manodidina an’Isotry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny BC sy ny ekipan’ny SAG. Lehilahy iray voasambotra. Nosavaina ny fiara nentiny ka nahitana ireo balam-basy miisa telo sy karazan-drongony atao hoe “Crystal” nilanja 11,50 grama. Teratany nigeriana no mpamatsy azy. Nokarohina io teratany vahiny voatonona anarana io. Noraisim-potsiny tao an-trano fonenany io lehilahy io. Nihazona “crystal-meth” 20 grama koa ity farany. Nokasainy hamidy ireto entana ireto. Nentina natao famotorana izy roa lahy ka nalefa eny Tsiafahy taorian’ny fampanoavana. Tafiditra anatin’ny hetsika “Sarika”, ataon’ny polisim-pirenena ny fahatrarana ireo mpivarotra sady mpidoroka zava-mahadomelina ireo.
Tsiferana R.