Jiolahy raindahiny lavon’ny zandary tao Marirano, fokontany Ambodiakondro, kaominina Ambohijanaka, ny alakamisy 28 marsa teo. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny manodidina io olon-dratsy io sy ny namany. Naharay loharanom-baovao ny zandary ka raikitra ny fifampitifirana.
Mpanao taxi-moto maty notifirin’ny jiolahy tao amin’ny tetezan’Ankolomaka, kaominina Talata Miandrandra, distrika Arivonimamo, afakomaly tamin’ny 8 ora alina. Mody nandeha tamin’ny moto miisa roa ireo efa-dahy. Nijanona nividy zava-pisotro mahamamo. Nitifitra ireo roa lahy mpanao taxi-moto ireo olon-dratsy. Maty ilay mpitondra moto iray raha toa ka voatifitra teo amin’ny sandriny ny iray hafa.
Jiolahy telo lahy lavon’ny zandary nandritra ny fifandonana tao amin’ny Tetezatapaka, kaominina Besalampy, ny 27 marsa maraina teo. Nangalatra omby tao amin’ny fokontany Ambalatany ireo dahalo nitam-piadiana ka narahin’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Nifamaly tifitra tamin’ireo mpanara-dia azy ireo dahalo. Vokany, lavo ny telo lahy tamin’ireto farany.
Mpisinto-mahery sady mpangarom-paosy miisa enina tra-tehaky ny zandary tao Antsirabe, ny 27 marsa teo. Nanao fisafoana ny zandary miasa ao an-toerana noho ny hamaroan’ny olona tonga hankalaza ny fetin’ny paska ao an-toerana. Voasambotra nandritra ny fanaraha-maso teny am-panaovana ny asa ratsiny ireo tontakely enina.