Famokarana menaka Anjozorobe: tafapetraka ny milina hanodina voanjo sy soja

Mitohy hatrany ny fampiroboroboana ny indostria ifotony ataon’ny fitondram-panjakana. Nisitraka ozinina hanodina voanjo sy soja ny distrikan’Anjozorobe amin’ny alalan’ny taninketsa indostrialy.

Afaka manodina voanjo sy soja hatramin’ny 500 kilao isan’ora ka hamokatra menaka 300 litatra isan’ora ny ozinina. Tanjona, araka izany, ny hamatsian’ity orinasa ity menaka an’Antananarivo ma­non­tolo sy ny distrika ka hahazo ny vokatra avy eto an-toerana ny mponina. Hanamaivana ny fahasahirana eo amin’ny andavanandrom-piainany ihany koa izany.
Hanamora ny famoaham-bokatr’ireo tantsaha sy ireo kaoperativan’ny mpamokatra voanjo sy soja manerana ny distrika ny milina sady hampiroborobo ny famokarana ataony. “Rehefa mihatsara ny fahefa-mividin’ny tantsaha dia handroso ny firenena satria izy ihany dia hahavita hividy zezika sy hampidi-drano”, hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Razafindravahy Edgard, nandritra ny fitokanana ny orinasa, ny alakamisy teo.
Ankehitriny, maherin’ny 50 ireo orinasa efa tafapetraka amin’ireo kaominina sy distrika maro manerana ny Nosy raha toa ka manodidina ny 75 ireo fitaovana nafarana hananganana ny taninketsa indostrialy. Hampihena ny fanafarana entana ilaina andavanandro ny tetikasa “one district one factory” (ODOF) sady hampandroso ny toekarena.
Miitatra any amin’ny kaominina
Politikam-panjakana napetraky ny filoha Rajoelina ny fametrahana orinasa indostrialy iray isaky ny distrika (Odof). Manatanteraka azy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana. Efa maro ny natsangana, fa tsy nionona amin’izay isaky ny distrika izay anefa, fa efa mandeha koa ny fananganana orinasa any amin’ny kaominina. Tafiditra ao anatin’ny tanjona fe-potoana 100 andro, napetraky ny filoha, ho an’ireo mpikambana anaty governemanta daholo izany.

Henintsoa Hani

Partager sur: