Iharan’ny vokatry ny hafanana sy ny haintany ny firenena maro aty Afrika, atsimo sy atsimo atsinanana, izay vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Ankizy 45 tapitrisa no mizaka ny vokatr’izany, toy ny valanaretina kolera, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tondradrano …, araka ny fanambaran’ny Unicef momba ny zava-misy amin’izao fotoana izao ka nanaovany fanairana.
Tsy afaka misitraka rano sy sakafo ny ankizy ary voakasika hatramin’ny fanabeazana, satria maro ny sekoly no simban’ny rivodoza sy ny tondradrano. Maro ny fianakaviana very fihariana ravan’ny haintany sy ny rotsakorana be. Eto Madagasikara, mahatratra 262 000 ny ankizy latsaky ny 5 taona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo, hoy ny fanazavana. Noho ny tsy fahampian’ny rotsakorana any Atsimo, ahina indray ny olana ara-tsakafo any an-toerana. Misedra olana mitovitovy amin’izay, mifandraika amin’ny fiovan’ny toetr’andro, ny firenena maro ary voakasika manokana amin’ny fiantraikany ny zaza sy ny ankizy.
Manoloana ireo, nametraka fandaharanasa ny Unicef handraisana an-tanana ireo ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Eo koa ny fanampiana ny fanabeazana, ahafahan’ny kilonga manohy ny fianarana amin’ny fomba ampitain-davitra mikirakira teknolojia vaovao.
Vonjy