INDRAY MIJERY

Nanome toky ny mpianatra eny amin’ny oniversite ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa miasa andro aman’alina ny ekipa mpikirakira ny vatsim-pianarana, hanenjehina ny famoahana izany amin’ny tetiandro efa napetraka. Ezahina ho voahaja ny 24 aprily, hizarana izany.

Heverina hitondra fahombiazana amin’ny tetikasa andrana atao amin’ny kilasy T2 sy T5 ary ny ambaratonga faharoa ny atrikasa nomena ho fanomanana izany tombana izany. Hanombanana ny taham-pahaizan’ny mpianatra io andrana hatao ny volana mey izao io. Amin’ny alalan’ny taranja Malagasy, Frantsay ary Matematika no hanombanana azy ireo.

Hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina, eo anelanelan’i Toliara sy Taolagnaro, vokatry ny alondrano ateraky ny varatraza. Hahery ny ranomasina. Mety hahatratra 3m hatramin’ny 4m ny haavon’ny onja. Ahina ny fahasarotan’ny fifamoivoizana na faharendrehana, fiakaran’ny ranomasina, amin’ny morontsiraka mora tondraka. Filazana fampitandremana, miloko mena, eo anelanelan’i Toliara sy Taolagnaro.

Toy ny isan-taona dia kianja fitsangatsanganan’ny olona ihany koa ny etsy Analakely rehefa alatsinain’ny Paka toy izao. Nifanitsa-kitro ny olona, omaly. Toraka izany ny teny Tsimbazaza… Nifanjevoana ny fiara mpitatitra rehefa hariva ny andro ary nisy nahavatra nandeha an-tongotra kilometatra maro namonjy fodiana.

Partager sur: