Lions Club: hijery ifotony ny asa atao ny filoha Brian Sheehan

Tonga eto Madagasikara ny filohan’ny fikambanana Lions Club International Foun­dation (LCIF), Brian Sheehan, sy Rtoa Lori, vadiny. Asa sosialy tena hataon’ny Lions Club Madagasikara, distrika 417, ny lafiny fahasalamana, ny fanabeazana, ny tontolo iainana ary ny hanoanana. Toy ny fitiliana ny areti-maso katarakta sy ny fizarana solomaso, ny diabeta, ny homamiadana mpahazo ny ankizy. Eo koa ny fanampiana mandritra ny loza voajanahary, ny kere any atsimo, ny fanarenana sekoly, sns.
Hotsidihin’i Brian Sheehan sy ny vadiny ny foibe misahana ny fitiliana maso miady amin’ny katarakta eto Antana­narivo. Eo koa ny foibe miady amin’ny diabeta any Antsira­be. Ary ny foibe fivahinianana ho an’ireo zaza tratry ny homamiadana tsaboina eto Antananarivo. Nilaza i Brian Sheehan, fa « hijery ny tetikasan’ny Lions Club eto Mada­gasikara aho, ny olana sy ny vahaolana, ary hizara izany any amin’ny mpikambana hafa maneran-tany ».
Anisan’ny takin’ny Lions Club amin’ny fanjakana malagasy ny hijerena vahaolana amin’ny halafon’ny haban-tseranana, nefa fanampiana ha­naovana asa sosialy ny entana tonga avy any ivelany.
Niorina ny taona 1957 ny Lions Club eto amintsika, manana mpikambana 827, anaty klioba 40, miparitaka anaty tanàna 30 mahery. Mahatratra 400 000 dolara ny fanampiana ara-bola efa nomen’ny LCIF ny teto an-toerana. Miparitaka manerana ny firenena 16 ny LCIF.

Njaka A.

Partager sur: