Vita iny ny fankalazana ny fetin’ny Paka. Nitondra inona eo amin’ny fiainan’ny tena na ny tsirairay? Mba tsy hoe mahazatra na fombafomba, na sanatria tsy nasiana heviny sy tsy nomen-danja fa mandeha ho azy. Mandeha hatrany ny fiainana… Mby aiza? Fitsanganana tamin’ny maty ny hoe Paka. Mba misy koa ve ny fitsanganana amin’ny mety? Izay hita sy tsapan’ny hoe mety dia ijoroana, isehoana, irosoana. Eo ny tahotra na fanahiana vavam-bahoaka? Na tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka… Izay no anisan’ny tsy mampandroso, mampihemotra aza amin’ny marimaritra iraisana lava amin’izay atao. Nefa mbola izao…
Raha vao misy miteny na manao zavatra vaovao: saika ifarimbonan’ny maro amin’ny fanapempoana, fanaratsiana, fanakiviana. Sanatria, toy ny ao anatin’ny haizin’ny fahazarana sy fombafomba ny rehetra ka izay mitondra hazavana kely na amin’ny tahon’afokasoka ihany aza no voa aloha? Itangoronana ka sempotra amin’izany… Tsy mahagaga raha sarotra sy mafy ny hoe fanovana. Miainga amin’ny tsirairay izay: izay miova no afa-kanova, izay resy lahatra no afa-kandresy lahatra, izay vaovao no afa-kanavao… Mitsangana amin’ny mety, na izay heverina ho mety ka ijoroana.
Mby aiza izany amin’izao fifidianana depiote izao? Sao sanatria fombafomba no atao, na mahazatra, na mandeha ho azy. Ilaina ny fitsanganana amin’ny mety fa hatao ary hisy tokoa ny hoe fampandrosoana. Tsy mamerina fotsiny izay fomba efa hita izao fa tsy hahombiazana, tsy mampandroso, mampiady an-toerana aza. Tsy maintsy miady? Amin’ireo mihaohao amin’izao fifidianana izao, iza, hono, no ho toy izany ahay: sahy, vonona, mijoro, miroso. Mba ho hafa tokoa ny amin’ity fa tsy toy ny taloha, natao ihoarana fa tsy anoharana ho ny teo ihany no ndeha haverina.
R. Nd.