Nandritra ny fetin’ny Paka : olona roa maty, 75 naiditra hopitaly

Fety tsy ieren-doza. Olona roa maty raha 75 kosa ireo naiditra hopitaly. Adiady sy loza nateraky ny moto ny betsaka amin’ireo…

Raha ny tatitra vonjimaika, araka ny antontan’ isa nomen’ny teo ani­von’ny sampana vonjy taitra sy ny sampana fameloman’aina eo anivon’ny hopitaly HJRA, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paka, olona iray maty raha 75 kosa voatery naiditra hopitaly (hatramin’ny omaly hariva tamin’ny 4 ora sy 30 mn). Voalazan’ny tatitra nomen’ny mpitsabo ao amin’ny sampana fameloman’aina, ny alahadin’ny Paka teo no nisian’io raim-pianakaviana iray matin’ny fisotroana toaka diso tafahoatra io.

Marihina moa fa antontan’ isa ny alahadin’ny Paka sy ny alatsinain’ny Paka ireo. Ho an’ity sampana ity manokana, nahatratra 45 ireo olona tonga nandalo fizahana tao amin’ny hopitaly. Fito amin’ireo tsy nahatsiaro tena vokatry ny fisotroana toaka tafahoatra, olona roa narary noho ny fihinanana sakafo nisy poizina. Olona telo hafa kosa narary noho ny fihinanana sakafo tsy zaka. Hatramin’ny omaly hariva, mbola tsy mahatsiaro tena ny sasany amin’ireo mamo toaka ireo.
Nahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana
Ho an’ny sampana vonjy taitra, nahatratra 35 ireo olona tonga nandalo fizahana tao amin’ny hopitaly (alahady sy ny alatsinain’ny Paka). Ady madinika sy lozam-pifamoivoizana tamin’ny fiara sy moto no betsaka amin’ireo.

Nambaran’ ny mpitsabo mpiandry raharaha ao amin’ity sampana ity fa tsy mbola nisy namoy ny ainy ireo olona nandalo fizahana tao. «Azo lazaina ho nilamina ihany amin’ny ankapobeny ny fiatrehan’ny olona ny fety ta­min’ity taona ity. Olona tratran’ny lozam-pifamoivoizana aloha hatreto no nifanesy nandalo teto amin’ny hopitaly», hoy ny fanazavan’ny mpitsabo iray ao amin’ity sampana ity.
Lehilahy iray hafa namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao amin’ny reniranon’i Mananara Anjozorobe, ny alahadin’ny Paka teo. Avy aty an-drenivohitra nikasa haka ny fianakaviany any Anjozorobe ity raim-pianakaviana ity no tra-doza tampoka ka nivarina tao amin’io renirano io. Potipotika tanteraka ilay fiara raha nosokirina tao anatiny kosa ny mpamily.

J.C

Partager sur: