Maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-piarakodia teny amin’ny lalam-pirenena faharoa ny tovovavy iray mpianatr’i Barikadimy Toamasina, ny zoma alina teo. Nandray taksiborosy niainga avy ao Toamasina hihazo an’Antananarivo izy, kanjo izao tra-doza izao. Teo amin’ny 1 km tsy hidirana ny sampanana Andasibe no nitranga ny loza, ny sabotsy maraina tamin’ny 1 ora. Tsy nifandona tamina fiara hafa fa nitsoraka nivadibadika tany anaty hatsana ilay fiara. Vokany, namoy ny ainy io tovovavy io, raha efatra hafa naratra mafy. Nentina haingana nihazo ny hopitalin’i Moramanga ireo niharam-boina saingy tsy avotra intsony ny ain’ilay tovovavy mpianatra ao Barikadimy. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly kosa ny olona telo hafa. Raha ny loharanom-baovao voaray avy amin’ireo mpandeha sasany tao amin’ilay taksiborosy, resin-tory teo ambony familiana ny mpamily ka izao namoa-doza izao. Nitsoaka nandositra avy hatrany izy raha vantany vao nitranga ny loza. Tsy niverina teo mihitsy izy, fa niafina, raha tsy tonga teo ny zandary avy ao Andasibe nanao fanadihadiana.
Sajo