Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena ny Star, misy ny andraikitra sosialy raisiny eo amin’ny fiarahamonina (RSE). Hetsika roa no nataony tany Antsirabe, nandritra ny fetin’ny Paka, ny faran’ny herinandro teo, ny 27, 28 ary ny 30 marsa, nifanandrify tamin’ny hetsika ara-kolontsaina sy toekarena, ny Star Tour, fanao isan-taona any an-toerana. Notolorana fitaovana ara-pahasalamana, manome rivotra iainana, « concentrateur d’oxygène », ny hopitaly Ave Maria. Teo koa ny kojakojam-piterahana ho an’ny reny sy ny boky Diary Nofy ho an’ny zaza tsaboina ao an-toerana. Nisy ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana tetikasa maharitra eo amin’ity hopitaly ity sy ny orinasa Star.
Nisy ny fanentanana nataon’ny ekipan’ny tetikasa “Kopakelatra” ho an’ny besinimaro amin’ny fanajana ny tontolo iainana. Notokanana ny toerana vaovao fanangonana ny tavoahangy plastika avy nampiasaina, iarahan’ny Star sy ny tobin-tsolika Total any Mandaniresaka. Nomena loka ny olona voalohany nanary tavoahangy plastika efa nampiasaina.
Niara-nanatontosa ireo hetsika ireo ny ekipa RSE ao amin’ny Star sy ny mpiara-miasa any Antsirabe. Manamafy ny fitondrany ny anjara birikiny hatrany ity orinasa ity ho an’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana.
Njaka A.