Teratany somaliana 16, ethiopiana efatra niampy kenyana iray sy Malagasy efatra nosamborin’ny zandary teo am-pikasana hihazo ny seranan-tsambo Antsahampanjo Ambanja, ny alin’ny sabotsy 30 marsa teo tamin’ny 9 ora alina. Naharay loharanom-baovao momba ny fisian’io mpiondrana antsokosoko io ny mpitandro filaminana ka nanao vela-pandrika. Tra-tehaka hatramin’ny mpamilin’ny fiara nitatitra ireo olona nikasa hiondrana ireo. Mponina avy ao Ambanja, Nosy-Be, Ambilobe, ary Sambava ireo Malagasy anisan’ireo voasambotra ireo. Raha tsiahivina, voararan’ny lalàna ny fiondranana antsokosoko sy ny fidirana tsy ara-dalàna any amin’ny sisintany vahiny ivelan’ny firenena nihaviana. Mandray an-tanana ny fanadihadiana io tranga io ny zandarimaria.
Tsiferana R.