Manohy ny fanangonana ireo antontanisa any amin’ny faritra ny BNGRC, fantatra fa nahatratra 88 163 ireo olona traboina vokatry ny fandalovan’ilay rivodoza Gamane tany amin’ny tapany avaratry ny Nosy.
Nitombo avo roa heny, tao anatin’ny 2 andro, ny isan’ireo traboina any avaratry ny Nosy. Mitontaly 88 163 izy ireo, raha ny salanisan’ny BNGRC, omaly. Avy amin’ny tokantrano 22 057 ireo fianakaviana traboina ireo.
Nitombo ihany koa ny tokantrano tsy maintsy nafindra toerana vonjimaika, miisa 6 289 izany omaly, izay ahitana olona miisa 24 012 .
Miisa 87 ireo toerana fitobian’ny traboina sy hikarakarana azy ireo ary mitsinjara amin’ny faritra 4 voakasiky ny fahavoazana. Nahatratra 18 787 kosa ireo olona tsy maintsy navotana tanaty rano noho ny fiakarany haingana ka tsy nahafahan’izy ireo nanavo-tena.
Mahakasika ny fotodrafitrasa kosa, maro ny simba ary anisan’izany ireo trano miisa 779 rava tanteraka, fianarana niendaka tafo miisa 22 ary 106 ireo efitranon-tsekoly nahitana fahasimbana amin’ny ampahany, 7 kosa ny sekoly simba tanteraka.
Mirefy 1 698ha ny tanimbary safotry ny ranobe ary 665 ha no saron’ny fasika ka ilana fanarenana tanteraka.
Anisan’ireo faritra 4 lasibatra Analanjirofo, Diana, Atsinanana ary Sava. Tsy niova kosa ny antontanisa hafa momba ny olona tsy hita, miisa 4, sy ireo olona 18 namoy ny ainy ary ireo 3 naratra.
Etsy andaniny, manohy ny fizarana fanampiana vonjy aina ny BNGRC, indrindra amin’ireo faritra misy traboina. Efa naharay izany ny tany Toamasina II sy Faradofay.
Marihina fa ny sabotsy teo, nisy ny sidina ana habakabaka nataon’ny fanjakana notarihin’ny BNGRC niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’atoka nanaovana ny tomban’ny fahavoazana sy hahafahana mamaly haingana ny filana.
Nifantoka tao amin’ny distrikan’i Maroantsetra ny andiany voalohany tamin’ny fanombanana ary nitohy tany Antalaha sy Sambava izany. Tsy hadino ny tao Vohemar, Ampisikinana sy Ambilobe izay voa mafy ihany koa. Sady nitondra vatsy sy fanampin-tsakafo ho an’ny traboina ihany koa ny delegasiona nanatanteraka ny sidina.
Tatiana A