Vokatry ny rivodoza Gamane: Maika ny fanarenana ny simba

Nijery ny zava-misy, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane, tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy, ny filoha Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny faran’ny herinandro teo. Maika ny fanarenana ny simba, indrindra ny hamerenana ny fifamoivoizana.

Anisan’ny tena voa mafy vokatry ny rivodoza Gamane, ny herinandro teo, ny tapany avaratry ny Nosy, indrindra ny tany Ambilobe. Efa tany an-toerana foana ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny Asa vaventy, ny Kly Ndriamihaja Andrianatrehina, nanomboka ny zoma 29 hatramin’ny 31 marsa 2024.
Maro ny fotodrafitrasa simba, indrindra ny fahatapahan’ny lalana sy ny tetezana any amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN6) sy ny RN5A. Miisa telo ny tetezana simba any amin’ny RN5A, ny any Maromokotra sy roa hafa any Daraina. Harenina avy hatrany ireo tetezana ireo, raha vao mihena ny rano, hataon’ny orinasa CRBC. Mbola ao anatin’ny antok’ity orinasa ity ny fikojakojana na ny fanarenana ny simba, mandritra ny 10 taona. Satria lasan’ny rano ny lalana mialoha ny hidirana ao amin’ny tetezana.
Efa misokatra tsikelikely ny fifamoivoizana amin’ny RN6. Anisan’ny tapaka ny tetezana any Andranonakoho (PK 663+767) izay efa misokatra ho an’ny fiara rehetra ankehitriny. Mila mitandrina anefa ny mpampiasa lalana, satria mbola avo ny rano eo amin’ny « radier » any Marivorahona.

Fanampiana samihafa

Miisa 250 ny salotraina nozaraina ho an’ny mpitatitra olona amin’ny alalan’ny sambo haingam-pandeha, hanamorana ny fifamoivoizana. Voakasik’izany ny eo amin’ny reniranon’i Mahavavy Ambilobe, sy ny reniranon’Ifasy any Bemaranja.
Efa any Ambilobe ny Jirama ampian’ny mpitandro filaminana mamerina ny herinaratra any amin’ny ilany avaratry ny tanàna. Nisy koa ny famatsiana sakafo ny vahoaka mitoka-monina any Mantaly, Bedara, Ambalamahatsinjo, Mantalimaro Andrefana, sns.
Tsiahivina fa efa tany Ambilobe koa ny filoha Rajoelina, ny 29 marsa teo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: