Vita iny ny fety! Polisy 1 250 indray nahetsika ho an’ny teto Analamanga nanomboka ny 29 marsa hatramin’ny alatsinain’ny Paka teo. Raha ny antontanisa navoakan’ny teo anivon’ny polisim-pirenena nandritra ny fety teo, nahatratra 159 ireo olona tratra nanao fandikan-dalàna. Olona iray nanao fanafihana mitam-piadiana ka nampiasa zava-maranitra raha dimy tratra namaky trano. Olona 21 tratra nanao sinto-mahery sy fanendahana, teo koa ny halatra tsotra nahatrarana olona 19. Roa saika hanatanteraka halatra raha 28 ireo tratra nitondra sy nandray zava-mahadomelina. Rehefa fety toy izao, eo hatrany ny toaka. Nahatratra 28 ireo olona mamo an-dalambe ka tsy maintsy nandraisana fepetra manokana ho fitandroana ny ain’izy ireo. Fahitana razana telo no voarain’ny polisy, araka ny tatitra nampitain’izy ireo hatrany. Ny iray tao Besarety, voalaza fa namono tena tamin’ny antsy, ny iray hafa tao Isotry akaikin’ny Perception principale, mbola tsy fantatra mazava ny anton’ny fahafatesany. Ny iray farany maty an-drano tao amin’ny ranon’Ikopa, teny akaikin’ny Art Malagasy. Ho an’ny lozam-pifamoivoizana, nahitana trangana lozam-pifamoivoizana 18 tao anatin’izay efatr’andro izay. Lozam-pifamoivoizana iray no nahafatesan’olona iray. Ny trangana lozam-pifamoivoizana 12 hafa kosa naharatrana olona 21. Roa amin’ireo tranga ireo no nahitana mpamily mamo teo ambony familiana ka naharatrana olona. Ny tranga dimy hafa nahasimbana fananana iombonana, ka voamarin’ny fitsirihana nataon’ny polisy fa mamo teo am-pamiliana avokoa ireo mpamily.
Jean Claude