Lavon’ny balan’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4) Isotry, ny alahady vao maraina teo, ny jiolahy iray nitondra sabatra. Naharay fitarainana momba ny fisiana halatra miharo herisetra ataona andian-jiolahy eny amin’ny manodidina an’Andranomanalina ny polisy. Nametraka paikady manokana hiadina amin’ireo trangana tsy fandriampahalemana mampimenomenona ny olona ireo ny polisy amin’ny fanaovana fisafoana sy fametrahana polisy manao fanamiana sivily. Nahitam-bokany tokoa izany satria nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy nanao fanamiana sivily no nifanehatra tamina jiolahy telo nitondra sabatra izy ireo. Teo amin’ny lalana mihazo ny fokontanin’Andranomanalina afovoany no nifanena tamin’ireo jiolahy ny polisy. Raikitra teo ny fifanjevoana satria nikasa hisambotra azy ireo ny polisy saingy namaly tamin’ny sabatra ireo jiolahy. Polisy iray naratra voavelin’ny sabatra. Niaro tena ny polisy ka nitifitra avy hatrany. Maty voatifitra ny jiolahy iray raha tafaporitsaka ireo namany roa.
Jean Claude