Autisme : “Zava-dehibe ny fampahafantarana azy”

Efa nanomboka ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho fampahafantarana ny autisme ny eto Analamanga. Nisy hetsika fanentanana teny Ambohijatovo sy Anosy, omaly, ho an’ny daholobe ho fiaraha-mientana ahafahana ma­metraka fiarahamonina manaja ny zon’ireo olona autiste. “Zaza, tanora ary olon-dehibe autiste dia samy mendrika hajaina sy tohanana daholo», hoy ny fanam­baran’ny fikambanan’ny Autisme Madagas­car. Ny autisme dia anisan’ny fikorontanan’ny toetra miparitaka indrindra. Mialoha ny fahatelo taonan’ny zaza matetika no mipoitra ireo soritra hamantarana azy, hoy ny fanaza­van’ny fikambanana. Tsy mitovy ny toetoetry ny olona autiste, toy izay koa ny fitrangan’ny autisme amin’ny olona tsirairay. Misy ihany, amin’ny ankapobeny, ha­mantarana fa autiste ny zaza iray.
Tanjon’ny fikambanana ny manabe ny fiarahamonina momba ny autisme sy mametraka lalàna miaro ny olona autiste ary ny hisian’ny fandraisana an-tanana azy ireo eto Madagasikara. Mame­traka sehatra ahafahana manampy ny fianakaviana sy hifampizarana traikefa koa ny fikambanana. Efa manana sampana any amin’ ny faritra maro (Diana, Matsiatra Ambo­ny, Anosy…) ny Autisme Madagascar ary samy manatanteraka hetsika fanentanana ho an’ny Andro maneran-tany ho fampahafantarana ny autisme izy ireo.
Mibahan-toerana ny fa­nen­tanana isan-karazany mi­antefa amin’ny daholobe.

Vonjy

Partager sur: