Analamanga no handray ny fankalazana
nasionalin’ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana, amin’ity taona ity. Hotanterahina ao amin’ny boriborintany fahatelo, ao Antanimenabe Ankorondrano izany. Hisy ny tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana isan-karazany mandritra ny fanamarihana. Lohahevitra “Ny fahasalamako, zoko” no hitondrana ny hetsika.
Nitsidika ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny masoivoho vaovaon’i Sina, Ji Ping, omaly. Nodinihina ny fijerena ny maha olona ho fanamafisana ny rafi-pahasalamana sy ny kalitaon’ny fitsaboana eto Madagasikara. 50 taona izao ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ary maro ny tetikasa nanatsara ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana eto Madagasikara.
Hotanterahina any Mahajanga, ny 14 ka
hatramin’ny 16 mey izao ny andron’ny Holafitry ny fahasalamana. Lohahevitra hodinihina mandritra izany ny “Antom-pisian’ny holafitra”. Sehatra maro no iankinan’ ny fahasalaman’ny mponina, ny dokotera, ny mpiasan’ ny fahasalamana, ny farmasia sy ny tontontolon’ny
fanafody…
Mivadibadika ny toetry ny andro eto Analamanga. Mangatsiaka tampoka ary mafana rehefa atoandro. Maro ireo tsy mahazaka izany, indrindra ny sokajin’olona marefo, ka mampihetsika ny karazan’aretina maro. Kohaka sy sery, sohika, fanaviana… mahazo ny ankizy sy ny zokiolona. Ilaina, noho izany, ny miaro vatana mba tsy hampidina ny hery fiarovana.