Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, teny Anosy, omaly, ny biraon’ny fikambanan’ireo manam-pahaizana momba ny fitantanan-draharaha, ADHEA.
Maneho fahavononana hitondra ny anjara birikiny amin’ny lafiny fitantanan-draharaham-panjakana sy nampahafantatra ny fijoroan’ny ADHEA ny filohany, Ramanantsoa Andriamahafaly Rado, omaly, tetsy Anosy.
Tanjona ny hitondra fahaiza-manao amin’ny fitantanan-draharaha mba hisian’ny fanjakana tsara tantana sy ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Ivondronan’ireo mpiasam-panjakana ambony sy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina ary ireo nahavita fiofanana «Expertise» tao amin’ny sekolim-pirenena Enam, teny Androhibe, ny ADHEA.
Tetsy andaniny, nanamarika ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany fa ilaina ny fisian’ny manam-pahaizana vonona handray andraikitra ho an’ny sehatra marolafy eto amin’ny firenena. Ilaina ny tena mahay ary mila aseho amin’ny asa sy ny fandalinana ary ny fiaraha-mijery ny hahasoa ny firenena. Hiteraka vokatsoa ho an’ny mpiray tanindrazana izany.
Nampirisika ny mpikambana ADHEA rehetra ny minisitra Andriatsitohaina Naina mba ho tena mpiara-miombon’ antoka amin’ny fampandrosoana isaky ny sehatra sy ny toeram-piasany avy. Na amin’ ny asam-panjakana izany na amin’ny sehatra tsy miankina.
Sehatrasa maro no azon’ ny ADHEA hanohanana, hoy ny filohany. Anisan’izany ny fitantanana ara-kajy mirindra, ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe. Eo koa ny seha-pitantanana, ny fampandrosoana eny ifotony, ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny jeopolitika. Ankoatra izay ny fitantanana ny “ressources humaines” eo amin’ny fanjakana na ny orinasa. Ny pilotage sy ny fanombanana ny politikam-panjakana, ny “aménagement et gestion des espaces”, “ingénierie sociale”, ny “ingénierie publique”, ny “droits et logistiques”, ny “sciences de l’éducation” ary “New public management”.
Tatiana A