Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft) Andavamamba, rahampitso, ny fampisehoana « Jam Session », iarahana amin’i Raul Rodriguez sy i Christian de Moret ary ny AF Jazz. Hetsika tafiditra anatin’ny «Semaine Flamenco de Madagascar », andiany fahenina. Seho avo lenta sy matihanina no entin’ny mpikarakara, miaraka amin’ireto vahiny mpanakanto manana ny maha izy azy ireto. Maimaimpoana ary misokatra ho an’ny rehetra ny fampisehoana. Ankoatra ny fanomezana fahafaham-po ny mpankafy flamenco, tanjona ny hampahafantarana sy hampiroboroboana izany eto amintsika.
Anisan’ny sangany amin’ny fiangaliana ny flamenco izy mirahalahy ireto. I Raul Rodriguez izay ao anatin’ny tarika Très Flamenco, raha ao amin’ny Flamenco Rock kosa no ahitana an’i Christian de Moret. Ao anatin’ny fitetezana firenena maro, manao fampisehoana, i Christian de Moret, amin’izao fotoana ary mananjara i Madagasikara handalovany. Tsiahivina fa ao anatin’ny « Festival de Flamenco » isika amin’izao fotoana izao ary ity hetsika ity no hanamarihana izany ho an’i Madagasikara.
Lin