« Spectacle stand-up »: ho avy eto Madagasikara i Rodrigue

Ho avy eto Madagasikara i Rodrigue, teratany frantsay mpanao hatsikana sady kalaza amin’ny fampihomehezana. Seho tsy mbola mahazatra ny Malagasy loatra, fa efa iainan’ny mpijery any ivelany no hoentiny amin’izao diany izao. « Spectacle stand-up ». Izy irery no hiakatra sehatra hanatontosa ny fampihomehezana. Tsy misy zavatra na fitaovana maro kanefa vitan’i Rodrigue « mahavaky efitrano » ny feon’ny mpijery mihomehy amin’ny teny lazainy sy fihetsika ataony eo no ho eo. Fantatra fa ny sabotsy 20 avrily amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Mining Business Center (MBC) Ivato no hanatanterahin’i Rodrigue ity « Spectacle stand-up » karakarain’ny Ethnika Event ity.
Any Frantsa manokana, anisan’ireo tanora mpanakanto tsy mitsaha-miaka-daza i Rodrigue. Taona 2022, izy no nandrombaka ny « Prix du Festival d’humour de Paris ». Nitombo sy nivelatra hatrany ny talenta fampihomehezana efa tao aminy fony mbola kely. Tsy nitsaha-nikaroka rahateo i Rodrigue.
Nambaran’ny mpikarakara fa tsy mora ny nitady toerana hoenti-manatanteraka ity fampisehoana ity. Voatety ny tao an-dRenivohitra sy ny manodidina izay vao nahita ny tao amin’ny Mining Business Center Ivato. Io no hita fa ahafahan’i Rodrigue sy ny mpijery hifamatotra akaiky, satria, mitaky izany ny « Spectacle stand-up ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: