TARATRY ny KANTO

Nisokatra nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 13 avrily 2024, eny amin’ny Aft Andavamam­ba, ny “Vao mangiran-dratsy”. Fampirantiana karakarain’ny Plum’art, hanandratana sy hanomezana sehatra ireo mpiangaly sary vao misandratra, izy ity. Ankoatra izay, anisan’ny hanamarihina ny faha-10 taonan’ny fikambanana ihany koa ny hetsika.
Efa ao anaty fanomanana sy fikarakarana tanteraka ny tomponandraikitra eo anivon’ny “Madagaslam”, amin’ny fanatanterahana ny fifaninanana “Slam National Scolaire”, andiany faharoa. Marihina fa natokana ho an’ireo mpianatra ambaratonga faharoa, eny anivon’ny sekolim-panjakana, ihany ny fifaninanana amin’ity andiany ity.
Tanterahina rahampitso, eny amin’ny IFM Analakely, ny lanonana hanambarana ny mpandresin’ny fifaninanana “Prix Paritana”, andiany fahavalo. Raha tsiahivina, fifaninanana natao ho an’ny Malagasy mpahay kanto sy ny mpahay kanto monina eto Madagasikara izy ity. Manosika sy manandratra ireo mpahay kanto ireo no tanjona ao anatin’izany.
Hifarana ny 20 avrily 2024 ny fampirantiana “Nouvelle terre”, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka. Hanehoan’ny mpahay kanto maro samihafa ny kantony anehoana izany “Nouvelle terre” izany, araka ny aingampanahiny avy. Haikanto maro samihafa, mifono hevi-dalina no ho hita ao anatin’izany.

Partager sur: